Hanokatra blaogy
admin Janoary 27th, 2007
Ny serasera.org dia manolotra ho anao toerana mba hahafahanao mitantana ny blaoginao. Izany dia hiseho amin’ny alalan’ny adiresy solonanarana.blaogy.org na solonanarana.blaogy.com. Ny solonanarana dia azonao avy ao amin’ny serasera.org. Raha mbola tsy manana solonanarana avy ao amin’ny serasera ianao dia mandehana aloha misoratra anarana ao amin’ny login.serasera.org dia miverena eto ihany.
Raha efa manana solonanarana ka te hanokatra blaogy dia misy safidy roa.
- Raha te hanana adiresy solonanarana.blaogy.org ianao dia mandehana ao amin’ny blaogy.org dia ampidiro ny solonanarana sy tenimiafina.
- Raha te hanana adiresy solonanarana.blaogy.com ianao dia mandehana ao amin’ny blaogy.com dia ampidiro ny solonanarana sy tenimiafina.
Azonao atao ihany koa ny manana azy roa.